Aller au contenu

Naskh

Avy amin'i Wikipedia

Ny hoe naskh (نسخ) ao amin' ny tafsir (famakafakana ny Kor'any), dia fomba fiasa izay manaiky fa ny andininy na fitsipika iray ao amin' ny Kor'any na ao amin' ny hadita dia mety tsy sahaza ny toe-javatra rehetra ka mahatonga ny fitsipika iray hanafoana ny fitsipika iray hafa. Ao amin' ny endriky ny naskh eken' ny besinimaro[1] sy "klasika"[2][3], ny ḥukm "didy" iray dia foanana mba hampidirana tranga maningana ao amin' ny fitsipika ankapobeny, saingy tsy foanana ny lahatsoratra niorenan' ny ḥukm[4].

Ohatra sasany amin' ny didim-pitsarana silamo mifototra amin' ny naskh dia ahitana fandrarana miandalana ny fisotroana toaka (tsy voarara ny toaka tany am-boalohany, fa ny Mozilmana kosa dia nilazana fa ny ratsy dia mihoatra noho ny tsara amin' ny fisotroana toaka) ary ny fiovan' ny zotram-pitodihana mankany amin' ny qibla (ny fitodihana tokony ho izy rehefa manao ny vavaka salat): ny Mozilmana tany am-boalohany dia niatrika an' i Jerosalema, saingy novaina izany mba hitodika amin' ny Kaaba any Meka[5].

Afa-tsy tranga vitsivitsy ihany, ny fanambaràna ao amin' ny finoana silamo dia tsy milaza hoe iza amin' ny andininy ao amin' ny Kor'any na amin' ny hadita no nofoanana, ary ny Mozilmana mpandalina sy mpahay lalàna dia tsy nitovy hevitra momba ny hoe iza sy firy ny hadita sy ny andininy ao amin' ny Kor'any no ekena ho nofoanana[6][7], miaraka amin' ny tomban' isa miovaova eo amin' ny folo ka hatramin' ny mihoatra ny 500[8][9].

Ny olana hafa amin' ny tsy fitovian-kevitra dia ahitana ny hoe: ny Kor'any, izay lahatsoratra ara-pivavahana ivon' ny finoana silamo, ve azon' ny sunna foanana, ny sunna izay fitambaran' ny fomba amam-panao ara-piarahamonina sy ara-dalàna ary ny fomba amam-panaon' ny vondrom-piarahamonina silamo? na ny mifamadika amin' izany ? — tsy fitovian-kevitra ao anatin' ny silamo sonita eo amin' ny safeisma sy ny hanafisma izay samy sekolin-dalàna[10][11]; ary ny hoe: azo foanana mihitsy ve ny andininy ao amin' ny Kor'any, fa tsy averina omena heviny sy faritana amin' ny fomba hentitra kokoa ? — fomba iray tian' ny manam-pahaizana vitsy anisa atao ity[12].

Andininy (ayat) maromaro ao amin' ny Kor'any no milaza fa nisy fanambaràna nofoanana ary nosoloina fanambaràna taty aoriana, ary ny fitantarana avy amin' ireo mpanaradia an' i Mohamady (Sahabah) dia milaza ny andininy na didy nofoanana momba ny fivavahana. Ny fitsipika fototra amin' ny fanafoanana ny andininy tranainy ka anoloana azy amin' ny andininy vaovao ao amin' ny Kor'any, na ao anatin' ny hadita dia fitsipika eken' ny madhāhib sonita efatra, na sekolin' ny fiqh, ary fitsipika naorina ao amin' ny Sharia tamin' ny taonjato faha-9 fara-fahakeliny[13][14][15]. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-19, ny manam-pahaizana môderinista sy islamista dia niady hevitra nanohitra io atao hoe naskh io, ka niaro ny maha marina tanteraka ny Kor'any[16].

Ny lahatsoratra na didy nofoanana dia antsoina hoe mansūkh, ary ny lahatsoratra na didy manafoana dia antsoina hoe nasikh[17].

Ny fototry ny fanafoanana

[hanova | hanova ny fango]

Mba hamahana ny olana momba ny andininy mifanipaka dia namolavola ny foto-pampianarana momba ny fanafoanana ny teôlôjiana mozilmana. Mametraka ny tenim-pinoany amin' ny fampahatsiahivana ny foto-pitsipiky ny andininy manafoana sy ny andininy foanana (al-nâsikh wa-l-mansûkh), foto-pitsipika izay heveriny ho ara-dalàna ao amin' ny Kor'any, amin' ny fianteherana amin' ny lovatsofina mozilmana sy amin' ny fandinihana ny filaharana ara-potoan' ny fanambaràna mba hahafantarana hoe iza no vao haingana indrindra sy afaka manafoana ny tranainy indrindra[18]:

"Raha nanafoana andininy (ayat) iray Izahay, na raha nametraka izany mba hohadinoina, dia tsy maintsy manolo izany amin' ny tsaratsara kokoa noho ilay teo aloha, na ny mitovy aminy. Tsy fantatrao va fa Andriamanitra no Mahefa ny zavatra rehetra ?" — Ny Kor'any Masina, 2:106.

Na dia mety nampangaina ho nanao fanodikodinana aza i Mohamady nandritra ny fanambaràna ny andininy manafoana, dia izao no misoratra ao amin' ny Kor'any ho valin' izany:

“Rehefa soloinay amin’ ny andininy iray hafa ny andininy iray — ary Andriamanitra mahafantatra izay ambarany mihoatra na iza na iza — dia hoy izy ireo: “Mpisandoka fotsiny ianao!” Tsia! Tsy mahalala na inona na inona anefa ny ankamaroany. » — Ny Kor'any Masina, 16: 101.

Ity fitsipika ity dia eken' ny manam-pahaizana mozilmana rehetra, afa-tsy vitsy dia vitsy ihany[19]. Ireo fiovana ireo dia mety mahakasika ny lafiny lalàna ao amin' ny Sharia fa tsy ny foto-pampianarana teôlôjika. Misy karazany maro ny fanafoanana: ny fanafoanan' ny andininy ao amin' ny Kor'any ny andininy hafa ao amin' ny Kor'any ihany na ny fanafoanan' ny hadita iray ny hadita iray hafa dia ekena amin' ny ankapobeny. Ny fanafoanan' ny hadita ny andininy ao amin' ny Kor'any na ny mifanohitra amin' izany dia mampisara-kevitra ny manam-pahaizana mozilmana[20]. Ohatra, ny Hanafita sy ny Asarita dia mihevitra fa ny sunna dia afaka manafoana andininy ao amin' ny Kor'any[19]. I Ibn Hazm dia miantehitra amin' ny filazana fa ny tenin' ny Mpaminany dia tsy maintsy avy amin' ny tsindrimandrin' Andriamanitra[21].

Ny fanafoanana dia mety mahakasika ny satan' ny lalàna iray - ny mpanoratra dia mitanisa ohatra momba ny tsy fanaovan' ny vehivavy nisara-panambadiana na maty vady firaisana ara-nofo - nefa tsy misy fanovana ny lahatsoratra. Mety mahakasika lahatsoratra iray ny fanafoanana - ny mpanoratra dia mitanisa ny andininy momba ny fitoraham-bato - nesorina tao amin' ny Kor'any, nefa tsy nofoanana ny sata maha lalàna izany. Mety mahakasika ny roa tonta ihany koa izany[19]. Ny fanafoanana, amin' ny ankapobeny, dia manamaivana ny adidy (ny tsy maintsy atao) voalohany. Amin' ny tranga sasany mampiady hevitra, na dia manamarika ny fisian' izy ireo aza ny ankamaroan' ny manam-pahaizana momba ny lalàna, dia mihamavesatra ny zavatra tsy maintsy atao, toy ny amin' ny fifadian-kanina amin' ny Ramadany izay tsy nisy fanerena tamin' ny voalohany nefa lasa tsy maintsy atao taty aoriana[19].

Ny olana momba ny filaharana ara-potoana

[hanova | hanova ny fango]

Tena zava-dehibe amin' ny silamo ny olana momba ny andininy nofoanana, na dia tsy tena fantatry ny any ivelany. Ohatra, ny andininy sasany ampahatsiahivin' ny mpiaro na mpitsikera ny silamo dia nofoanan' ny andininy manana heviny hafa. Araka ny filazan' i Jacques Berque, islamôlôga frantsay, amin' ny soràta miisa 114 ao amin' ny Kor'any dia miisa 71 no voakasiky ny fanafoanana[22][23].

Ao anatin' ny silamo, ny famaritana ny andininy nofoanana sy ny andininy tsy nofoanana dia mila fahalalana momba ny lahatsoratry ny Kor'any sy ny tantaran' ny Fanambaràna. Ny andininy farany indrindra dia manafoana ny tranainy indrindra izay samy miresaka momba lohahevitra mitovy ihany, ka ny nambara farany dia manome ny famehezana farany ny rojon' andininy[24]. Ny filaharan' ny andininy araka ny fahitana azy ao amin' ny Kor'any dia tsy ny filaharana ara-potoan' ny fanambaràna azy ireo, hany ka lasa olana lehibe amin' ny resaka Sharia (lalàna silamo) sy Fiqh (fitambaran' ny didim-pitsarana misolo lalàna) ny histôriôgrafian' ny Kor'any.

Ity famakiana ara-potoana ny Kor'any ity dia manasongadina vondrona soràta roa: ny soràta tamin' ny vanim-potoana mekana (voaray tany Meka teo anelanelan' ny taona 610 sy 622) ary ireo tamin' ny vanim-potoana mediniana (voaray tany Medina teo anelanelan' ny taona 622 sy 632)[25]. Mba hanamora ny famakiana amin' ny fomba fijerin' ny fanafoanana, i Sami Awad Aldib Abu Sâhlih[26] dia namoaka Kor'any araka ahitana andininy milahatra araka ny fotoana nandraisana azy araka ny fahitan' ny oniversiten' i Azhar[27] azy, miaraka amin' ny fanondroana ireo andininy nofoanana. Na dia mbola ampiasain' ny fanontana ny Kor'any amin' izao fotoana izao aza io fanavahana io dia tsy tena mahazo antoka izany ny famakafakana ankehitriny. Ny fiheverana fa afaka alamina indray ny Kor'any araka ny filaharan' ny fotoana nambaran' ny mpaminany Mohamady azy dia tena tombantombana, satria mifototra amin' ny finoana fa "tokana ny mpanoratra ny Kor'any, sy tsy misy ny mpandrindra ny lahatsoratra, ary maneho ny zavatra niainan' ny vondrom-piarahamonina nanodidina an' i Moḥamady, tao Meka sy Medina, teo anelanelan' ny taona 610 sy 632"[25].

Ohatra amin' ny andininy nofoanana sy manafoana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fandovàna

[hanova | hanova ny fango]

Momba ny fitsipiky ny fifandimbiasana amin' ny resaka lova dia ireto andininy mifanarakaraka dia ireto:

Voasoatra sy voadidy ho anareo, fa rehefa eo ambavahaonan' ny fahafatesana ny iray aminareo, ka raha namela harena izy, dia tokony hametraka hafatra[28] amim-pahamendrehana ho an' ireo Ray aman-dReny sy ireo izay akaiky azy. Izany dia adidy masina ho an' ireo vontompinoana. — Ny Kor'any Masina, 2:180.

Nambara tao Medina io soràta io (Al-Baqarah "Ny Ombivavy") ary araka ny lovantsofina dia faha-87 amin' ny filaharan' ny fanambàrana. Ny soràta faha-4 (An Nissa "Ny Vehivavy") dia heverina ho faha-92 amin' ny filaharan' ny fanambàrana. Torolalana mazava kokoa no hita ao amin' ny andininy faha-11.

"Manafatra anareo Andriamanitra ny amin' ny zanakareo, ny an' ny lahy miotovy fatra amin' ny anjaran' ny vavy anankiroa. Fa raha vehivavy daholo ka mihoatra ny anankiroa, dia azy ireo ny roa ampahatelon' izay navelan' ny maty. Fa raha vavy tokana kosa, dia azy ny antsasany. Fa ho an' ny Ray sy ny Renin' ny maty kosa, dia an' ny tsirairay amin' izy roa ny ampahenin' izay navelan' ny maty, raha nanan-janaka izy. Fa raha tsy nanan-janaka kosa izy, ka nandova azy ireo Ray aman-dReniny, dia an' ny Reniny ny iray ampahatelony. Raha nanana rahalahy kosa izy, dia an' ny Reniny ihany koa ny ampahenina. Atao izany, aorian' ny fanatanterahana izay hafatra navelany sy ny fanalana trosa. Ny Rainareo sy ny zanakareo, tsy fantatrareo amin' izy ireo izay manome vokatsoa anareo indrindra. Adidy tsy maintsy hatao avy amin' Andriamanitra izany. Satria, hamafisina, fa Andriamanitra no Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena". — Ny Kor'any Masina, 4:11.

Noho izany dia ireo toromarika farany ireo no hotazonina mba hametrahana ny didy (fiqh) amin' ny resaka fandovàna.

Ny herisetra

[hanova | hanova ny fango]

Ny Kor'any dia mirakitra andininy miantso fandriampahalemana sy andininy hafa mandrisika amin' ny ady. Ny vondron' andininy voalohany dia tamin' ny vanim-potoana naharaisana fanambaràna tany Meka - vanim-potoana mbola naha vitsy anisa ny Mozilmana ary tsy dia natanjaka loatra - fa ny vondron' andininy faharoa kosa dia tamin' ny vanim-potoana nahazoana fanambaràna tao Medina izay efa nahitana Mozilmana maro be sy natanjaka ka afaka namaly[29].

Nandritra ny fanamarihana nataon' ny mpamakafaka ny andininy nofoanana sy manafoana dia andininy maherin' ny 100 no heverina ho nofoanan' ny "andininy momba ny sabatra"[30].

"Ka rehefa tapitra ireo volana masina, dia vonoy ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) na aiza na aiza hahatraranareo azy, dia sambory ka ataovy fahirano, ary sakano amin' ny fandrika rehetra koa. Fa raha toa ka mibebaka izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), dia aoka ianareo hanome làlana azy ireo. Hamafisina, fa Mpamela heloka sy Mpamindra fo Andriamanitra." — Ny Kor'any Masina, 9:5.

Amin' ity vanim-potoana faharoa ity ihany koa no misy ireo andininy mitory famelezana.

"Rehefa mifanandrina amin' ireo tsy mpino ianareo, dia kapohy ao amin' ny hatony. Ka rehefa lavonareo, dia fatory mafy. Avy eo, na afahana tsotra izao, na angatahana takalony, hatramin' ny fitsaharan' ny vesatry ny ady. Toy izany, satria raha tian' Andriamanitra, dia Izy mihitsy no namaly azy ireo, fa natao izany mba hifampisedranareo. Fa izay maty amin' ny làlan' Andriamanitra, dia tsy ataony very maina mihitsy ny asan' izy ireo" — Ny Kor'any Masina, 47: 4.

Fanerena ara-pivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Kor'any dia mirakitra andininy mifanipaka momba ny fanerena ara-pivavahana. Ny andininy faha-256 amin’ ny soràta faha-2 (Al Baqarah - "Ny Ombivavy") dia laharana faha-87 araka ny filaharan' ny fanambaràna[31].

"Tsy misy fanerena ny amin' ny fivavahana !" — Ny Kor'any Masina, 2: 256

Ny andininy hafa vao haingana (faha-111 amin' ny filaharan' ny fanambaràna[31]) dia mampiseho fomba fijery hafa momba ny fanerena ara-pivavahana. Izany dia ampiharina amin' ny hadita[32] sy amin' ny fiainan' i Mohamady[33]. Ny ady dia mifandray amin' ny tsy fiovam-pinoana ho amin' ny finoana silamo.

"Lazao amin' ireo mpifindrafindra fonenana arabo[34] tavela tany aoriana hoe: "Hantsoina hifanandrina amin' ireo olona manana hery mampihorohoro ianareo. Ka hiady amin' izy ireo ianareo, na izy ireo manaraka ny finoana an' Andriamanitra tokana. Raha mankato ianareo, dia homen' Andriamanitra valisoa mendrika, fa raha mitsipaka kosa ianareo, tahaka izay efa nataonareo teo aloha, dia hosaziany amin' ny sazy mamirifiry" " — Ny Kor'any Masina, 48:16.

Maro àry ny mpamakafaka no mihevitra fa ilay andininy hoe "Tsy misy fanerena amin' ny fivavahana!" dia nofoanana[33]. Ny profesora Mohamed Tahar Ben Achour no hany mpamakafaka mihevitra fa tsy nofoanana ilay andininy fa manafoana[35].

Fandrarana amin' ny fisotroan-toaka

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Burton, John (1970), "Those Are the High-Flying Cranes", Journal of Semitic Studies. 15 (2): 246–264. doi:10.1093/jss/15.2.246. p. 250
  2. Hazimi, Abu Bakr. Al-I'tbar, 5-6
  3. Burton, John (1990). The Sources of Islamic Law: Islamic Theories of Abrogation (PDF). Edinburgh University Press. ISBN 0-7486-0108-2. p. 56 Asiva (PDF) tamin' ny 4 Janoary 2020
  4. Burton, John (1985). "The Exegesis of Q. 2: 106 and the Islamic Theories of naskh: mā nansakh min āya aw nansahā na'ti bi khairin minhā aw mithlihā". Bulletin of the School of Oriental and African Studies. 48 (3): 452–469.: p. 456
  5. Dogan, Recep (2013). "Naskh (Abrogation)". Usul al-Fiqh: Methodology of Islamic Jurisprudence. Tughra Books. ISBN 9781597848763.
  6. Jane McAuliffe; Barry Walfish; Joseph Goering (2010). With reverence for the word: medieval scriptural exegesis in Judaism, Christianity, and Islam. New York Oxford: Oxford University Press. pp. 448–450. ISBN 978-0-19-975575-2.
  7. Powers, David S. (1982). "On the Abrogation of the Bequest Verses". Arabica. 29 (3): 246–295. doi:10.1163/157005882X00301. ISSN 0570-5398. JSTOR 4056186.
  8. Fatoohi, Louay (2013). Abrogation in the Qur'an and Islamic Law. Routledge. p. 3. ISBN 9781136217272..
  9. Burton, John (1990). The Sources of Islamic Law: Islamic Theories of Abrogation (PDF) p. 184
  10. SUIÇMEZ, Yusuf (2006), "Abrogation in Hadith", American Journal of Islamic Social Sciences, Vol. 23, No 4, pp. 51-53
  11. Ahmed, Rumee (2012). Narratives of Islamic legal theory. Oxford, U.K: Oxford University Press. pp. 49–52. ISBN 978-0-19-964017-1.
  12. Mohammed, Khaleel (December 20, 1999). "Muhammad Al-Ghazali's View on Abrogation in the Qur'an". forpeoplewhothink.org.
  13. Harald Motzki (2006), in The Cambridge Companion to the Qur'ān, Editor: Jane Dammen McAuliffe, Cambridge University Press, ISBN 978-0521539340, pp. 59-67
  14. Wael B. Hallaq (2009), "Sharī'a: Theory, Practice, Transformations", Cambridge University Press, ISBN 978-0521861472, pp. 96-97
  15. Burton, John (1990). The Sources of Islamic Law: Islamic Theories of Abrogation (PDF). Edinburgh University Press. ISBN 0-7486-0108-2. pp. 43-44, 56-59, 122-124
  16. Johanna Pink, Sunnitischer Tafsīr in der modernen islamischen Welt: Akademische Traditionen, Popularisierung und nationalstaatliche Interessen BRILL, 11.11.2010 ISBN 9789004185920 pp. 114-115
  17. Roslan Abdul-Rahim, "Naskh Al-Qur'an, A Theological And Juridical Reconsideration Of The Theory Of Abrogation And Its Impact On Qur'anic Exegesis" (PhD thesis, Temple University 2011)
  18. François Déroche, Le Coran, Presses Universitaires de France, 2014, p. 57
  19. 19,0 19,1 19,2 et 19,3 Amir-Moezzi, "Abrogation", Dictionnaire du Coran, Paris, 2007, p. 14 sy ny manaraka.
  20. Burton J., Encyclopédie de l’Islam, Brill Online, 2014, "Nask̲h̲."
  21. Ali Merad, « L'authenticité de la Tradition : la méthodologie classique », Que sais-je ?, no 3627,‎ 2001, p. 55–72 (ISSN 0768-0066, vakio eto [arsiva]. Notsidihina tamin' ny 16 Jona 2018.
  22. Soràta miisa 25 dia ahitana andininy manafoana sy andininy nofoanana, soràta miisa 6 ihany no ahitana andininy manafoana ary 40 no ahitana andininy nofoanana.
  23. Raha manan-kery amin' ny vanimpotoana rehetra ao amin' ny tantara ny Kor'any, raha tsy noforonina toa an' Andriamanitra izy, dia tsy azo eritreretina mihitsy ny hampiova azy. Ny fiovana dia toetra voajanaharin' ny tantara fa tsy azo eritreretina ho an' izay heverina ho tsy voarakitra ao amin' ny fotoana satria ny fiankinana amin' ny fotoana no fepetran' ny fiovana.
  24. François Déroche, « Chapitre II - Structure et langue », Que sais-je ?, vol. 5e éd.,‎ 19 juin 2017, p. 26–45 (ISSN 0768-0066, vakio eto [arsiva], notsidihina tamin' ny 16 Jona 2018)
  25. 25,0 et 25,1 Gabriel Said Reynolds, « Le problème de la chronologie du Coran », Arabica, no 58,‎ 2011, p. 477
  26. I Sami Awad Aldib Abu Sâhlih dia mpahay lalàna palestiniana sy soisa.
  27. I Azhar dia oniversite islamika ao Kahira, Ejipta.
  28. Ny hoe "hafatra" eto dia didim-pananana.
  29. Burton J., Encyclopédie de l’Islam, Brill Online, 2014, Nask̲h̲
  30. Al Mokri, Annasikh wal mansoukh, Beyrouth, 1986, p. 44
  31. 31,0 et 31,1 Régis Blachère, Le Coran. Traduction selon un essai de reclassement des sourates, G.-P. Maisonneuve, Paris, 1949-1977.
  32. Bukhari vol 9. Liv. 84. no 57
  33. 33,0 et 33,1 Yadh Ben Achour, « Chapitre 9. Le devoir de fidélité et le statut de l’apostat », Proche-Orient,‎ 17 septembre 2015, p. 165–180 (vakio eto [arsiva], notsidihina tamin' ny 4 Desambra 2016)
  34. Ny Bedoina no lazaina eto hoe "arabo".
  35. Yadh Ben Achour, « Chapitre 8. Le devoir de violence et la restauration de l’ordre divin et naturel », Proche-Orient,‎ 17 septembre 2015, p. 143–164 (vakio eto [arsiva], notsidihina tamin' ny 4 Desambra 2016)